Ohabolana

140 languages

From WikiRecord, the encyclopedia of everything · from the Malagasy Wikipedia

Ankapobeny mikasika ny ohabolana

Ohabolana dia fehezanteny fohy mirakitra fahendrena, traikefa ary lesona navelan'ny Ntaolo malagasy. Avy amin'ny fitambaran'ny teny hoe ohatra sy volana ny teny hoe ohabolana, izay manambara teny ampiasaina ho fanoharana mba hampitana hevitra lalina amin'ny fomba fohy sy mazava. Archived Mey 4, 2006 at the Wayback Machine

Anisan'ny harena ara-kolontsaina sy ara-pisainan'ny Malagasy ny ohabolana. Nifindra tamin'ny alalan'ny lovantsofina nandritra ny taranaka maro izy ireo, ka lasa fitaovana enti-manabe sy mampita soatoavina eo amin'ny fiaraha-monina. Matetika ny ohabolana no ampiasaina amin'ny fiainana andavanandro, amin'ny fifampiresahana, amin'ny famahana olana, ary indrindra amin'ny kabary sy lahateny ofisialy.

Ny ankamaroan'ny ohabolana dia noforonin'ny Ntaolo mba hampisaina ny olona sy hitarihina azy amin'ny fahendrena. Ahitana torohevitra momba ny fitondran-tena, ny fifandraisana amin'ny hafa, ny asa, ny fianakaviana ary ny fiainana ankapobeny ny votoatin'izy ireny. Noho izany dia heverina ho iray amin'ireo fototry ny fahendrena malagasy ny ohabolana.

Famaritana

Avy amin'ny fitambaran'ny teny hoe ohatra sy volana ny teny hoe ohabolana. Izy io dia teny na fehezanteny fohy maneho hevitra lalina amin'ny alalan'ny fanoharana na fampitahana. Raha ny famaritan-dRajemisa ny ohabolana dia hoe : "teny atao amin'ohatra hilazana hevitra." (Rakibolana Malagasy, takila 774)

Ny ankamaroan'ny ohabolana dia noforonin'ny Ntaolo avy amin'ny zavatra hitany sy niainany teo amin'ny fiarahamonina sy ny zavaboary. Noho izany dia lasa fitahirizana ny fahendrena sy ny fomba fisainan'ny Malagasy izy ireo.

Ny anjara toeran'ny ohabolana

Manana anjara toerana lehibe eo amin'ny kolontsaina malagasy ny ohabolana. Ireto avy ny sasany amin'ireo fampiasana azy:

  • Entina mampita fahendrena sy fananarana.
  • Manamafy sy manazava hevitra ao anatin'ny kabary.
  • Fitaovana enti-manabe ny tanora sy ny taranaka mifandimby.
  • Manampy amin'ny fitahirizana ny fomba fisainana sy ny soatoavina malagasy.
  • Mampanankarena ny teny sy ny haisoratra malagasy.

Endrika hisehony

Maro ny endrika isehoan'ny ohabolana, ka anisan'izany:

Ohabolana mananatra

Entina manitsy fitondran-tena na manome lesona.

Ohatra:

"Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina."

Ohabolana manoro hevitra

Manampy ny olona handray fanapahan-kevitra tsara.

Ohatra:

  • "Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana."
  • "Ny havan-tiana tsy iaraha-monina".
  • "Mandehana dieny malaina fa rehefa mazoto tsy afaka intsony".

Ohabolana mifototra amin'ny fanoharana

Mampiasa sary an-tsaina na zavatra hita eo amin'ny natiora.

Ohatra:

  • "Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara."

Ohabolana ampiasaina amin'ny kabary

Fanaingoana sy fanamafisana ny lahateny.

Ohatra:

  • "Teny diso tsy mba kabary, mihinam-bary aza misy latsaka."

Ohatra amin'ny ohabolana malagasy

  • "Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara."
  • "Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina."
  • "Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana."

Ohabolana momban'ny olombelona

Hamaroan'ny olona

Ohatra:

  • "Ny olombelona toy ny amalona an-drano ka be siasia".

Karazana ohabolana

  • " Toto vary lena ka samy te-ho lohany " "Tsy hivady angaha no manao ianareo "

Jereo koa

Rohy ivelany

http://www.thierotsy.fr.gd

Loharano sy fanamarihana

  1. Rajaonarimanana, Narivelo. Ny Haisoratra Am-bava Malagasy.
  2. Dubois, Henri. Les proverbes malgaches.
  3. http://ohabolana.serasera.org Archived Mey 4, 2006 at the Wayback Machine
  4. Rakibolana sy rakipahalalana momba ny kolontsaina malagasy.